Tulear

Efa nanomboka ny taona 1981 no tonga tao Toliara ny salezianina Don Bosco, Mahavatse faritra anisan'ny mahantra no misy azy, mpanjono, mpanao asa-tanana madinika, mpivarotra, mpiasa madinika no ankabeazan'ny olona ao an-toerana. Ny fitoriana ny Evanjely, katesizy ary asa fitiava-namana iandraiketan'ny Paroasy no ataon'izy ireo ao; misy koa ny asa ho fampiroboroboana ny maha-olona, kolotsaina, ary sosialy amin'ny alalan'ny Oratorio, ny sekoly sy ny toerana fampianarana mamaky teny sy manoratra; ny fampiofanana arakasa sy fampiofanana ho an'ny vehivavy; ary farany misy ny Pré-Noviciat, mandray isan-taona ireo tanora miomana hiditra any amin'ny Noviciat.