Ny fanentanana Pastoraly Salezianina ho an'ny tanora eto Madagasikara

Ny fanentanana Pastoraly Salezianina ho an'ny tanora eto Madagasikara dia manana anjara asa amin'ny fampiroboroboana ny asa fandrindrana sy fampiharana ny asa pastoralin'ny salezianina eto Madagaikara ary mandrindra sy mampifandray ny asa fanabeazana sy pastoraly izay entiny. Jerena manokana amin'izany ny fanentanana ny MSJM, amin'ny fanofanana ny mpanentana sy ny mpiandraikitra pastoraly, ny volavola toro-lalana sy lalam-panabeazana ary ny famokarana fitaovana pastoraly sy fanentanana ho an'ny tanora. Mikasika ireo dia efa nisy asa niarahan'ny Salezianina tamin-dry masera Filles de Marie Auxiliatrice. Ny vokatra tena miavaka indrindra tamin'ity fiaraha-miasa ity dia ny fisian'ny Fandrindrana Nasionaly eo amin'ny Mouvement Salésien des Jeunes na ny MSJ.