Nosy kely ao atsimo andrefan'ny ranomasin'Indiana no misy an'i Maorisy, 850km antsinanan'i Madagasikara. Eo amin'ny 1 tapitrisa eo ny mponina ao aminy. Ao anatin'ny kontinanta afrikanina ny Nosy Maoirisy. Ao Port Louis renivohitra no ahitana ny Salezianina. Ankoatran'ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly, dia mifantoka bebe kokoa amin'ny fampiofanana arakasa sy ny fampianaranaa ny tanora ire Salezianina ao amin'ny Nosy Maorisy. Nanomboka ny taona 2004 no nandraisan'ny Salezianina ny Centre Technique an'ny diosezy, dia ny Kolejy teknika St. Gabriel, Ny Centre Technique St. Monfort ary ny Centre Technique René Verbruggen de Souillac.