Manana zavatra maro natokana ho an'ny tanora mahantra sy sahirana indrindra ny Salezianina Mahajanga.
Ny toerana fampiofanana arakasa Don Bosco dia manome ho an'ireo tanora fampiofanana arakasa amin'ny alalan'ny fianarana andavanandro, cours informels ary fanatsarana isaky ny taranja.
Manana fanabeazana tena ilaina koa izahay ao amin'ny Oratorio: ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, fampianarana teny vahiny, informatika, fanatanjahan-tena sy fialamboly, toerana famakiam-boky, tarika artistika, mozika, teatra, dihy.
Ao amin'ny Paroasy sy ny Aspirantat no misy ny asa fanirahana ataonay.