Ao amin'ny Maison Provinciale Ivato no manangona ny asa fitantanan'ny fikambanana Salezianina eto Madagasikara. Trano Foiben'ny Visitatoria Salezianina miaraka amin'ny biraom-pitantanan'ny Fikambanana Madagasikara sy Nosy Maorisy. Ny Maison Don Bosco dia trano fandraisana ireo frera sy mompera ao amin'ny fikambanana ary ireo mpiara-miasa mandeha na avy manao iraka. Ary misy ihany koa ny biraon'ny VIS eto an-toerana, ny Bureau Technique izay manao ny asa sy mandray anjara amin'ny fampandehanana ny vinavinan'asa. Ary farany, misy ny Radio Don Bosco Madagasikara, miaraka amin'ny biraom-pitantanana sy ny mpiasa ao amin'ny radio(eo amin'ny 30 mahery eo).