Fianarantsoa

Rafitra telo lehiben'ny fampianarana sy fitoriana ny Vaovao Mahafaly no entin'ny Misiona eto amin'ny Don Bosco Fianarantsoa hanompoana an'Andriamanitra sy ho fampandrosoana ny maha-olona, ny kolontsaina, ny fiaraha-monina ary ny fiainana kristianina.
Ny Oratorio Don Bosco, fanentanana ho an'ny ankizy sy ny tanora, anomezana tanana sy fampianarana, toy ny famerenana indray an-tsekoly ireo nanana fahasahirana ka tsy afaka nanohy izany, ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ary ny toeram-piofanana arakasa; Ny Paroasy Md Joany Bosco Ankofafa, natolotry ny Diosezy ho tantanan'ny Salezianina Ny Scolastique, Toeram-piofanana ho an'ireo nahavita ny Noviciat, no sady ao ihany koa ny Centre Salésien d'Etudes et Recherche Saint Thomas d'Aquin (C.S.E.R.) ary ny Fandraisana.