Ny Centre Notre Dame de Clairvaux dia mandray tanora aman-jatony eo amin'ny 12 ka hatramin'ny 22 taona eo. Ao ny kilasimandry (mipetraka sy miaina ao amin'ny centre mandava-taona) ary ny kilasy mody. Manome fampianarana ireo tanora mba afaka hanala CEPE, avy eo misy fampiofanana arakasa mandritry ny telo taona amin'ny sampana isankarazany (toy ny rafitra hazo, taovy, fanaovan-trano ary ny fiompiana sy ny fambolena), ao anatin'izany koa ny sehatra artistika (mozika, teatra, antokom-pihira sns maro isankarazany), misy ihany koa ny fanatanjahan-tena (kitra, basket, volley....). Afaka mandray anjara amin'ny Sakramenta ihany koa izy ireo, ary manao katesizy sy mivavaka.