Vokatry ny Projet Afrika no nahatonga ny Salezianina teto Madagasikara. Tamin'ny taona 1980, no tonga voalohany teto nanangana ny Asa fanirahana teto Madagasikara, izay tany Bemaneviky ny Salezianina avy any Naples. Roa taona nifanesy taorian'izay dia nisokatra ny trano salezianina tany Mahajanga (nosokafan'ny misionera avy Venise Antsinanana), Ijely Miarinarivo (naorin'ireo misionera avy any Roma), ary Toliara (ny misionera avy any Sicile no nanao izany). Ny taona 1984, dia nanorina ny "Centre Notre Dame de Clairvaux" tao Ivato ao anatin'ny Diosezin'Antananarivo, ny avy any amin'ny Province Roma, mba handraisana ireo tanora tra-pahasahiranana. Tamin'ny taona 1987, no nisokatra ny tao Betafo ary ny 1989, dia nisokatra indray koa ny tany Ankililoaka, "Noviciat" voalohany teto Madagasikara, izay nafindra tao Ivato ny taona 1992 ary eny Ambohidratrimo amin'izao hatramin'ny taona 2003.
Vokatry ny fitomboan'ny trano misiona Salezianina teto Madagasikara dia nomena sata manokana nantsoina hoe : "Maria Tsy azon-keloka" ny Fari-piadidian'i Madagasikara, i Mompera Luigi Zuppini no Lehiben'ny fikambanana voalohany tamin'izany. Tamin'ny taona 1993 no notokanana ny trano tany Fianarantsoa ho fampiofanana ireo frera tanora salezianina. Ary nankatoavina ny Vinavinam-panabeazana sy pastoralin'ny Salezianina Don Bosco teto Madagasikara ny taona 1995. Tany amin'ny tapatapaky ny taona 90 tany no nanomboka ny "Radio ZARASOA" tany Betafo ary ny "Radio MAZAVA" tany Ankililoaka, hitondra fanabeazana ho an'ny mponina eo an-toerana sy ny manodidina any ambanivohitra ary hanely ny Tenin'Andriamanitra. Ny 27 jona 1996 no nitokanana ny Radio Don Bosco, eto Ivato no misy azy, ary hatramin'izao dia mampita any amin'ny faritry ny Diosezy manerana ny nosy amin'ny alalan'ny "Satellite" ny Radio Don Bosco. Amin'izao fotoana izao dia eo am-panatanterahana vinavinan'asa iray hanorina trano misiona any Toamasina ny Salezianina, izay antenaina hisokatra afaka taona vitsivitsy.