Betafo

Misy Paroasy iray sy zanam-piangonana 20 ao anatin'ny distrikan'i Betafo; ny Kolejy St Louis (CEG sy lycée) mifanila amin'ny Paroasy, ary sekoly ambaratonga voalohany miisa 11 any amin'ny faritra manodidina an'i Betafo; toerana fialamboly no sady ambohim-pihaonan'ny tanora ny Oratorio; ao Betafo ihany koa no misy ny fiomanan'ireo tanora mitady ny lalan'ny fiantsoan'Andriamanitra; Ny Radio Zarasoa, onjam-peo salezianina voalohany teto Madagasikara; ahitana trano fandraisana toa ny St Edouard, Mère Morano, Sahafohy. Ary tsy hadino koa ny Dispensaire ho an'ny sekoly.