Ny distrikan'i Bemaneviky dia faritra mbola ao anatin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, Fiangonana 46 no miparitaka ao anatin'ny velaran-tany 3.500 km². Ankoatran'ny sekoly ambaratonga voalohany dia eo ihany koa ny kolejy sy ny lycée misy mpianatra 400 eo, ka ny telopolo amin'ireo no kilasimandry. Misy ihany koa ny toerana fitsaboana ho an'ireo faritra manodidina. Ny Oratorio dia manampy betsaka ny tanora hanao zavatra mba hamenoana ny fotoanany. Eo ihany koa ry Masera Franciscaines Missionnaires de Notre Dame, mifanome tanana aminay eo amin'ny sekoly ambaratonga voalohany sy ny kilasimandry ary ny katesizy.