Ankililoaka

Ao amin'ny distrikan'Ankililoaka no misy ny tranon'ny misiona. Fiangonana 38 no ao anatin'ity distrika ity. Eo amin'ny sehatra fanabeazana kosa, dia manana sekoly 17 izahay afahan'ireo ankizy manodidina ny communauté manovo fahalalana. Misy sekoly ambaratonga faharoa maromaro sy lycée iray ihany koa. Radio salezianina faharoa niorina eto Madagasikara ny Radio Mazava, mahenika ny distrika manontolo ny mozika, vaovao, fialam-boly, kolotsaina sy vavaka vokarin' ity onjam-peo ity Ao koa ny Oratorio sy ny fialamboly isankarazany ary ny fanentanana, izay ifamezivezen'ny tanora aman-jatony.